Maro ireo mpandraharaha mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny angovo nitondra vahaolana mikasika ny tsy fahatomombanany nandritry ny atrikasa mikasika ilay vina IEM natao tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.
Nivoitra tao anatin’ireo fanehoan-kevitra fa anisan’ny tena mitondra fatiantoka mihoapampana eo amin’ny toekarena malagasy ny fampiasana solitany na « Petrol ». Raha ny fanazavan’ny mpandraharaha iraisam-pirenena, Andry Ramaroson, misahana orinasa frantsay eto Madagasikara sy Kaomaoro, dia ampiasana solitany avokoa ny 76%-n’ireo famokarana eto amintsika kanefa isika tsy mamokatra solitany hatreto. Midika izany, hoy izy, fa miteraka fatiantoka io. Tsy voafehintsika koa ireo vola vahiny miditra eto amintsika. Vokatr’izany dia mihoatra ny 50% ny fantiantoka hita amin’ny famokarana ary mihoatra ny 30% ny amin’ny varotra. Mila mitady hevitra haingana hifehezana ireo fatiantoka ireo, hoy ny tenany. Nanamafy ny mpandraharaha misahana orinasa iraisam-pirenena frantsay ao Roumanie, Vonjy Andriamanga fa mila mampiasa herinaratra avokoa na ny tanàn-dehibe na ny Ambanivohitra raha tiana ny hamokatra bebe kokoa. Azo atao, ohatra, ny manangana ivo mpamokatra etona satria manana voajanahary isika. Toy izany koa ny ivo mpamokatra arina satria manana arina madio isika any Sakoa. Tsy adino ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny menaka mavesatr’i Tsimiroro, hoy kosa ny tale jeneralin’ny Jirama (DGAE) teo aloha, Albert Ravelojaona.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.