Toekarena

Fampiasana ny “fonds souverain” Misy fepetra maro mila hajaina


  • Zoma 14 Febroary 2020

Afaka ampiasaina ary atao amin’ny fidiram-bolan’ny fanjakana ny “fonds souverain” saingy tokony hisy aro fanina maro miaraka amin’izany hoy ny teo anivon’ny Faribolana Mpandinika ny Hary eto Madagasikara (CREM).

 

 

 

Azo alaina ny volan’ny CNaPS, ny Caisse d’Epargne, ireo assurances hafa sy ny sisa saingy tokony hatao ara-dalàna sy mangarahara. Rehefa atao ao anatina tsy fangaraharahana io dia tsy hahatsara na oviana na oviana ny toekarena hoy izy ireo.  Raha hampiasa ny “Fonds souverain” ny dia tokony hisy ihany koa fametrahana lalàna vaovao ny amin’ny fanaraha-maso ny Banky sy ny Orinasa ara-bola. Olana foana ny tsy fahafantarana mazava ny lalàna sy ny sazy amin’ny tsy fanarahan-dalàna mifanaraka aminy . Tokony ho fantatra mazava ihany koa hoe ny Fanjakana no tompon’andraikitra farany amin’ny alalan’ny Banky Foibe raha sendra misy maha-banky ropitra amin’ireny Orinasa eritreretina hakana ny Fonds souverain ireny. Ankoatr’izay dia nanambara ny teo anivon’ny CREM fa tsy laharam-pahamehana ary tsy hitondra fampandrosoana izany fampiasana ny Fonds souverain izany raha tsy manana ny bankiny entina hampandroso azy mihitsy aloha ny Malagasy (Banque de Développement). Hatreto mantsy dia ny any ivelany hatrany no manana tombotsoa betsaka amin’ny fisian’ireo banky ireo ary manana anjara kely na tsy misy mihitsy ny fanjakana. Tombony ny fananana ny “Fonds souverain” saingy ilàna fanapahan-kevitra mavesa-danja miaraka aminy mba tsy hampidaraboka ny toekarena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT