Toekarena

Fampiasana angovo azo havaozina Miara-miasa amin’ny OURSUN GREEN POWER ny JIRAMA


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Hiroso amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny orinasa JIRAMA sy ny orinasa Alemana OURSUN GREEN POWER manomboka izao. Nanatanteraka sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny roa tonta omaly entina hanatanterahana izany.

 

 

 

Miompana amin’ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro ireo tetikasa telo hotontosainy, manana tanjaka mitontaly 11 MW. Eto amin’ny tanànan’Antananarivo no hanatontosana izany. Miavaka ireo tetikasa ireo satria mampiasa ny teknolojia « Rooftop », izany hoe : eny ambony tafontrano no hametrahana ireo takelaka famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro izay mitsitsy ny velaran-tany hampiasaina. « Tanjon’ny JIRAMA ny hanatsara ny kalitaon’ny herinaratra vatsiany sy ny hampidina ny mason-karenan’ny famokarana hahatrarana ny “équilibre opérationnel alohan’ny faran’ny taona 2021 », hoy ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA Vonjy Andriamanga. Haharitra 12 volana kosa ny asa dia hamokatra ity tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro ity, izay hanampy tosika ny famatsiana herinaratra eto an-drenivohitra ary hipàka amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT