Toekarena

Fampiasam-bola Mifantoka aty Afrika ny indostria sinoa


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Miara-miasa akaiky amin`izao ny Antenimieran’ny indostria aty Afrika sy any Sina. Fampiasam-bola goavana indrindra ataon’ny indostria sinoa aty Afrika ny famatsiana angovo sy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany,

 

 

 

handresen-dahatra ny mpampiasa vola hafa maneran-tany eo amin’ny sehatry ny indostria. Fantatra aloha izao ny fahazotoan’i Sina miditra aty Afrika na ny fanjakana sinoa na koa ireo sehatra tsy miankina sinoa. Manomboka amin’ny orinasa madinika hatramin’ny indostria lehibe. Anisan’ny misongadina ny Power China, ny Sinohydro, ny Sinopec, ny Sinochem, ny Zhenhua Oil, ny China Minmetals, ny Shenergy Group. Mitombo hatrany ny fampiasam-bola ataon’ny Sinoa, toy ny hita any Guinée Equatoriale, amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany toy ny  volamena, diamondra, vy, solika, gazy... Nosoritan’ny Antenimieran’ny indostria aty Afrika ny tokony handrafetan’ny minisiteran’ny Harena ankibon’ny tany sy ny solika politika mazava mifanaraka amin’ny tsena iraisampirenena sy ny fifaninanana amin’izany. Vonona ny Antenimieran’ny indostria hanampy ny fitondram-panjakana sy ny orinasa afrikanina misintona ireo mpampiasa vola hanangana sehatra matanjaka, hamoronana asa sy hisian’ny fampandrosoana.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT