Toekarena

Fampiasam-bola 716 tapitrisa dolaran’ny BAD Homen-danja ny fitaterana, angovo, fambolena


  • Zoma 20 Mey 2022

Mahatratra 20 amin’izao fotoana izao ny asa vatsian’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na ny BAD ho an’i Madagagasikara, izay misy fampiasam-bola 716 tapitrisa dolara eo. Mitsinjara toy izao izany :

49% ho an’ny sehatry ny fitaterana, 24,9% amin’ny tontolon’ny angovo, 13,5 amin’ny lafiny fambolena, 6,2% naompana amin’ny fanatsarana ara-pitantanana, 6% natokana ho an’ny fampiroboroboana ny indostria, 0,3% hanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio sy fidiovana, ary 0,1% ho an’ny tontolo iainana. Ankehitriny namaritra ny sehatra iasany sy ny programany ao anatin’ny 5 taona ho an’i Madagasikara indray ny BAD. Ho an’ny dimy taona manaraka kosa, homena vahana kokoa amin’ny laharam-pahamehan’nny Banky iraisam-pirenena eto ny lafin-javatra roa dia ny fampiroboroboana ny fotodrafitrasa famokarana angovo sy ny tontolon’ny fitaterana mba hisian’ny fampandrosoana mirazotra, ny fanohanana ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena sy ny indostria. Vita ny antontan-kevitra, izay voalaza fa nandraisan’ny sehatra samihafa voakasika : Fanjakana tamin’ny alalan’ny governemanta, ny sehatra tsy miankina, ny firaisamonim-pirenena, ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Nankatoavin’ny Filankevi-pitantanan’ny BAD ny 11 may lasa teo tany Abidjan Côte d’Ivoire ny antontan-kevitra stratejika ho an’ny taona 2022-2026 ho an’i Madagasikara. Naneho ny BAD fa mipetraka ho mpanalalana ahafaha-manetsika ny loharano hafa ahafahana manohana an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana. Nomarihiny ny anjara toeran’ny sehatra tsy miankina izay manan-danja lehibe amin’ny fandrosoana, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronan’asa.
TSISY HAFITSOKA NY FANJAKANA
Nambara moa fa nampifanjohiana amin’ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) ny fandaharan’asan’ny BAD ka ny fijery sy vina lavitr’ezaka dia ny hahatonga ny toekarena mba hisandratra na dia amin’ny ampahany ihany aza hatramin’ny taona 2030. Toa manakaiky ny vinan’ny Filoha teo aloha Atoa Hery Rajaonarimampianina « Fisandratana 2030 ». Isan’ny nanamendrofendro sy nanabatibaty an’io 2030 io moa ny Fanjakana Rajoelina raha nilaza tamin’ny propagandy fa ny azy ireo tsy miandry amin’ny 2030 izany, fa ao anatin’ny dimy taona no hanaovany ny tsy vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 60 taona. Ankehitriny, tsy misy atokona firy, fa ny sehatra iraisam-pirenena sisa no antenaina hitsetra na ny an’ireny no japiana. Aiza ho aiza ny vokatra ankehitriny mitaha amin’ny vava be natao ?
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT