Ny sehatra fampianarana no kitro ifaharan’ny fampandrosoana ary rehefa miakatra ny farim-pahaizan’ny olona amin’ny firenena iray dia tsaraina ho matanjaka avy hatrany izany firenena izany. Ankoatry ny olana misy eto amin’ny firenena tahaka ny tsy fahampian’ny famoronana asa sy ny tsy fisian’ny sehatra fampiofanana dia tena tsy ampy ny akora fototra. Eo amin’ny fampianarana teknika dia tena manahirana amin’ny mpianatra io resaka akotra fototra io eny anivon’ny ivon-toeram-pampianarana hoy i Rasolomanana Liva Tale Jeneralin’ny EMAP ESMAP ( Ecole des Métiers des Arts Plastiques).
35 izay no andiany nivoaka tao amin’io toeram-pampianarana io ary niisa 13 ny ankizy navoaka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahavita 2 taona taorian’ny fahazoana ny Bakalorea izy ireo ka nahazo ny marim-pahaizana DTS (Diplôme de Technicien Supérieur). Afaka miasa avy hatrany na mbola hanohy ihany koa ny ankizy mivoaka ao amin’ny EMAP ESMAP. Nanambara ihany koa ny tale jeneraly fa olana mipetraka amin’ny sehatra fampianarana ny fahaiza-manao (qualification personnelle) izay tokony hojeren’ny fanjakana akaiky. Raha te hampandroso ny firenena hoy izy dia tsy maintsy hampiroboroboana ny sehatra fampianarana ary ilaina ny fijerevana ireo olana voatanisa ireo haha-matihanina ny fahaiza-manaon’ny olona tsirairay amin’ny asa izay ataony.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.