Toekarena

Fampiakarana vidin-tsolika Tsy misy mangarahara mihitsy


  • Alarobia 03 Mey 2017

Niakatra fanindiminy ny vidin-tsolika tamin’ity taona ity, ka ny iray tamin’ireo dia ny tamin’ny volana febroary ihany no nihemotra tamin’ny fampiakarana ny governemanta sy ny kaompania

 

 rehefa nampiaka-peo ny mpitatitra sy ny vaovao. Nahitana fiakarany indray izany nanomboka omaly talata 2 mey, ka 30Ariary ny fisondrotana teo amin'ny lasantsy izay lasa 3.370Ariary raha toa ka 3.340Ariary teo aloha. Ny gazoala lasa 3.300Ariary raha toa ka 3.260Ariary teo aloha, izany hoe nisy fiakarany 40Ariary isaky ny litatra. Manoloana izany dia nitondra ny heviny ny mpahay toekarena Serge Zafimahova, izay tsy nisalasala nilaza fa misy ny tsy mangarahara. Tokony hotakian’ny rehetra ny mangarahara eo amin’ny resaka fitantanana ny solika. Inona daholo no fepetra sy dingana nahatonga ny vidin’ny solika ho tonga amin’izao ? Tokony havoakan’ny Ofisy Malagasy momba ny akoran’afo (OMH) ny dingana rehetra miainga amin’ny fividianana  ny solika, ny fotoana sy ny vidiny nividianana azy... Misy ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny fanjakana sy ny fifanarahana amin’ireo orinasa mpaninjara solika ireo, izay tsy mazava amin’ny rehetra mihitsy. Tsy mampihatra ny fifaninanana fa manao ampihimamba kaompanian-tsolika, raha ny fanamarihan’ity mpahay toekarena ity, kanefa misy fiantraikany amin’ny toekarena, indrindra fa ny resaka angovo ity ny vidin-tsolika. Ahiana hisy ny tsikombakomban’ny fanjakana sy ireo kaompanian-tsolika amin’izao fampiakarana isaky ny fiandohan’ny volana izao, saingy tratry ny tian-kano tsy tian-kano ny Malagasy, kanefa manaiky lembenana hatrany.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT