Toekarena

Fampiakarana ny vidin-tsolika Tsy izahay no tompon’antoka, hoy ny GPLSS


  • Alarobia 08 Martsa 2017

Tsy miankina amin’ny kaompania sy ny mpaninjara solika ny fiakaran’ny vidin-tsolika eto amin’ny firenena fa kajy ifanarahan’ny fanjakana sy ny kaompanian-tsolika eo ambany fanaraha-mason’ny mpamatsy vola atao isaky ny voalohan’ny volana, hoy ny fikambanan’ireo mpaninjara solika na ny GPLSS.

  Io kajy io dia mianga amin’ny vidin’ny solika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary amin’ny alalan’izany no hamaritana ny vidin’ny solika eto Madagasikara. Izahay mpaninjara solika manerana ny nosy dia tsy mametra ny vidiny fa toy ny mpanjifa rehetra ka tsy tokony ho ny mpaninjara no homena tsiny, hoy i Jean Martin Rakotozafy, eo anivon’ny GPLSS. Tsy misy afa tsy ny fampiakarana ny sandam-bola Malagasy sisa no azo hampidinana ny vidin-tsolika, ka politika hoenti-mampiakatra ny lanjan’ny ariary no tokony hojerena, raha ny hevitr’io tompon’andraikitra io. Manatsara ny volan’ny firenena iray ny fisian’ny volamena antoka saingy toa gaboraraka ny fivoahan’io harena io eto amintsika, kanefa anisan’ny vahaolana raha voafehy, araka ny hevitr’i Jean Martin Rakotozafy. Tsy fantatra mazava izay tahirim-bolamena eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ary efa nilaozan’ny Maorisianina lavitra be isika satria manana 11 taonina izy ireo raha zara raha misy an-jatony kilao vitsivitsy ny an’i Madagasikara noho ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny fanondranana an-tsokosoko.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT