Toekarena

Fampandrosoana “Tsy atao sakana ny loko politika”, hoy i Rado Ramparaoelina


  • Alakamisy 27 Jona 2019

Mbola mampiseho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana ben’ny tanànan’Ampitatafika sy ny mpanolotsaina, i Rado Ramparaoelina.

Hahafahana miatrika izany, dia manohy ny fifanatonana eo amin’ny fokonolona ny kaominina sady manatsara hatrany ny fomba fiasa eo anivon’ny kaominina Ampitatafika ihany koa. Ny 90%-n’ireo programan’asa dia efa voavolavola avokoa. Matetika olana mipetraka  ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana foibe sy ny ben’ny tanàna hafa firehana. Nahitsy ny tenin’i Rado Ramparaoelina, ben’ny tanàna avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara fa ezahina ny fifanatonana satria tokana ny tanjona  dia ny fampandrosoana. Tsy misy firenena afaka mandroso raha tsy mandroso ny kaominina ao aminy, hoy izy. Notsipihany hatrany fa tsy atao sakana ny loko politika  ary tsy azo ekena raha izany no hatao fanilikilihana. Ny kaominina Ampitatafika rahateo dia tsy mbola nanidy varavarana tamin’izany fa nisokatra foana. Nomarihany fa izay antoko tonga teo dia efa niara-niasa taminy avokoa.  Eo amin’ny lafiny sosialy, tsy maintsy atao “béton” na “pave” na tara ireo tokotanin’ireo EPP. Hatao fanamby ihany koa ny fanamboarana ny lalana Ambohitsakalava, izay mirefy 2km saingy tena ratsy be. Eo amin’ny fahasalamana, hiezaka hitady fiaraha-miasa any ivelany amin’ny resaka fiara fitaterana marary ny kaominina. Ny tsy fandriampahalemana indray dia hohatevenina  ny jiro an-dalambe ary ny tena zava-dehibe dia ho lasa borigady manokana ny zandarimaria eny Ampitatafika fa hisaraka amin’ny borigady Fenoarivo izay efa nankatoavin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena sy ny SEG.

Araka ny nambaran’i Rado Ramparaoelina, anisan’ireo natolotry   ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara, Marc Ravalomanana, hirotsaka depiote ny tenany  saingy nangataka ny mba hijanona ben’ny tanàna ka nahazo fankatoavana. Ny taona 2007, nahazo salanisa 33% tamin’ireo vaton’ny mpifidy izy. Ny taona 2014,  dia nitarika mazava tamin’ny isa 65% izy ary inoany fa mbola hitombo izany amin’ity taona 2019 ity.

 

 

Marigny A. sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT