Rariny raha saika voafehin’ny vahiny ary eo am-pelatanany avokoa ny toekaren’i Madagasikara. Tsy mba misy fiaraha-mientana sy firaisan-tsaina eto fa samy mandeha samy mitady ny ankamaroan’ny Malagasy.
Rehefa mba misy olona tia tanindrazana sy te hametraka fampandrosoana dia mahafinaritra ny sasany ny mamingana noho ny fialonana. Taorian’ireny kapa ranjo nahazo ny filoha Marc Ravalomanana izay niezaka ny hanongotra ny fahantrana ireny dia tsy tafarina intsony mihitsy i Madagasikara. Mifanohitra tanteraka amin’ny fiainan’ny vahiny sy ny firenena any ivelany ny zava-misy eto. Mafy fototra izy ireo sady mifanampy, hany ka mandroso hatrany amin’ny sehatra rehetra tantanana. Feheziny ny banky sy ny fanondranan’entana, ny fanorenana fotodrafitrasa hatrany amin’ny fizahantany. Fantatra anefa fa tena manankarena manampahaizana amin’izany eto saingy tsy sahy ary tsy afa-mikofoka noho ny tahotra sao hosomparan’ireo mpamotika firenena ireo eo indray. Misy mpandraharaha iray nilaza ho manana vina tsara sy paikady matotra hoentina mampandroso aza moa saingy nanambara mazava ny tsy fahasahiany hilatsaka ho filoham-pirenena noho ny toe-tsaina ory hava-manana mbola lalimpaka eto amin’ny firenena. Tsy mba misy hambom-po sy fitiavan-tanindrazana fa aleo mahita ny vahiny mitantana sy mangorom-bola amin’ireo seha-pihariana rehetra. Tokony hahay hamongotra tanteraka an’ireo mpivarotra tanindrazana sy mpisolelaka amin’ny vahiny ary ireo mpamotika firenena izay filoha hitantana manaraka eo raha tsy izany dia hikoroso fahana tahaka izao foana ary tsy hiarina intsony mihitsy ny toekaren’ny Malagasy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.