Toekarena

Fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara Manampy betsaka ny sehatra tsy miankina


  • Zoma 17 Febroary 2023

Nifarana omaly tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny atrikasa 3 andro nandinihina ny fampandrindrana ny fianarana sy asa atao.

Nisy tao anatin’izany ny fihaonana tamina sehatra samihafa toy ny minisitera, ny fiarahamonim-pirenena ary ny sehatra tsy miankina izay heverina fa toko telo mahamasa-nahandro mampahomby izany. Ho aravina, hoy ny fanazavan’ny avy eo anivon’ity tetikasa antsoina hoe “Jeunesse malagasy compétente au travail” na JMCT ity, ny fifanakalozana tamin’ireo sehatra rehetra ary mbola hisy ihany koa ny fotoana hiverenana hiantsoana ny rehetra hampahafantarana izany. Araka ny fanazavan’i Patrick Razakamanana izay manam-pahaizana manokana na “expert” kanadianina avy amin’ny Université du Québec à trois rivière ao Kanada dia ny hampifarimbona ny fomba fiasan’ireo toko 3 mamasa-nahandro voalaza teo no tanjona ao anatin’izao tetikasa JMCT izao. Hampitomboina ny traikefa sy fahaizan’ny mpianatra rehefa mivoaka izy, hoy ity manam-pahaizana ity. Fiaraha-miasa akaikin’ny fampianarana sy ireo sehatra mandray ireo mpianatra ary ny fanjakana mandray ireo mpianatra ofanina ihany koa no isan’ny votoatin’ny tetikasa na ilay antsoina hoe “Alternance travail-étude”. Betsaka ny maodely azo isafidianana momba izany ka ny nahafinaritra tamin’ireo mpisehatra dia ny fifanarahan’ny rehetra fa hampihatra ny maodely mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara mba hahafahana mampandroso ny toekarenan’i Madagasikara satria iaraha-mahalala fa manampy betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara ny sehatra tsy miankina, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija
Legende: Tetsy amin’ny hotely Colbert omaly

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT