Fampandrosoana ny tanana

Hiara-hiasa akaiky Antananarivo sy Le Caire


  • Zoma 31 Mey 2024

Hiara-hiasa akaiky manomboka izao ny tananan’Antananarivo renivohitra sy ny tanàn’i Le Caire,

renivohitr’i Egypta. Tontosa omaly alakamisy 30 mey ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta, andaniny nahitana ny PDS Ramanambintana Richard, notronon-dRtoa Rabab Said Abdou Abdelhadi tompon’andraikitra any amin’ity tanana kely iray ity. Tanjona ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny hanovana endrika an’Antananarivo ka anisan’ireny ny tetikasa fitaterana an-dalamby , an-tanan-dehibe ary ny fanatsarana ny tanàna amin’ny lafiny maro samihafa. Hitondra tombontsoa lehibe ho an’ny tanànan’Antananarivo izao sonia natao ihany hoy ny PDS Ramanambintana Richard izay hoarahin’ny fifampizarana traikefa eo amin’ny renivohitra roa tonta. Lohalaharana amin’izany ny resaka fitantanana, ny fampiroboroboana ny kolontsaina, ny siansa, ny fanatanjahan-tena, ny fiahiana ny tanora, ny fahasalamana, ny fikoloana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary koa ny fifanakalozana ara-barotra izay nomarihiny fa tena ilain’ny tananan’Antananarivo renivohitra tokoa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT