Toekarena

Fampandrosoana ny sehatra tsy miankina Tokony himasoan’i Madagasikara


  • Zoma 28 Febroary 2020

Mandalo eto Madagasikara nandritra izay herinandro izay ny filoha lefitry ny toekarena sy fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ny IFC (International Finance Corporation), Hans Peter Lankes.

 

 

Ny IFC izay vondrona anatin’ny Banky Iraisam-pirenena ary efa nampiasa vola hatrany amin’ny 250 tapitrisa dolara ny amin’ny fanohanana ny sehatra fambolena, ny fotodrafitrasa, ny angovo, ny banky ary ny fandraharahana. Tanjona ny hanohanana an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ary hanafainganana ireo dosie mahakasika ny fandraharahana, indrindra ny amin’ny lafiny angovo, ny fotodrafitrasa ary ny agro-indostria. Isaky ny tetikasa tohanana dia tokony hiantraika amin’ny tsirairay, indrindra ireo tanora manana vina hanangana orinasa na hivarotra vokatra ny tosika ataon’ny IFC hoy Atoa Lankes. Efa nihaona tamin’ny tompon’andraikitra ambony maro tahaka ny filoham-pirenena, ny praiminisitra , ny governoran’ny Banky Foibe ary ireo minisitra vooakasiky ny tetikasa ny tenany ary nanambara tamin’ireo hatrany ny tokony hilofosan’i Madagasikara hampiroborobo haingana ny sehatra tsy miankina indrindra ny mahakasika ny angovo, ny fitaterana ana habakabaka ary ny fambolena. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ireo mpandray anjara rehetra amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpamatsy vola hafa manosika an’i Madagasikara. Tamin’ny diany farany moa dia niaraka tamin’ny minisitry ny fambolena, Lucien Ranarivelo Atoa Lankes nijery ny fizotran’ny tetikasa BOVIMA izay novatsiana vola nanamboarana abatoara manaraka ny fenitra iraisam-pirenena any Fort Dauphin.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT