Toekarena

Fampandrosoana ny maha olona Tratra aoriana i Madagasikara


  • Zoma 10 Aogositra 2018

Mbola mila ezaka be i Madagasikara raha mijery ny tatitra nasionaly momba ny fampandrosoana ny maha olona (RNDH) eto Madagasikara nataon’ny tetikasan’ny firenena mikambana PNUD.

 

 Mbola tena marefo satria mitana ny laharana faha-155 amin’ny 188 ny firenena Malagasy ny amin’ny fampandrosoana ny maha olona tamin’ny taona 2016.  0,512 ny tondro IDH an’i Madagasikara  izay  manakaikikaiky ny an’ny firenena farany izay manome 0,497. Ny salanisan’ny firenena mandroso amin’io lafiny io anefa dia efa mahatratra hatramin’ny 0,717. Ny lafiny fahasalamana sy ny fampianarana ary ny vola miditra amin’ny isam-batan’olona no anisan’ny antony mahatonga ny IDH an’ny Malagasy ho ambany. Na eto amin’ny firenena aza moa dia mbola samy hafa ny IDH amin’ny faritra rehetra. Ankoatra ny faritra  Analamanga, Itasy, SAVA ary DIANA izay manana IDH eo ho eo ihany dia saika  ambany be avokoa ny tahan’ny fampandrosoana ny maha olona any amin’ny faritra hafa. Ny any Ihorombe aza moa dia tena ambany be satria 0,363 monja izay ilana 19 taona be izao vao hahatratra ny tokony ho izy. Mila fandraisan’andraikitra haingana ny amin’izany tahaka ny fijerena hatrany ny maha izy azy ny faritra hiteraka fampandrosoana ifotony ka hiantraika amin’ny isam-batan’olona. Amin’izay dia hisy ny fitovian’ny faritra rehetra mba samy hiroborobo ka hiantraika amin’ny toekarena mihitsy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT