Toekarena

Fampandrosoana ny kaominina Hanome 12 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena


  • Alakamisy 11 Mey 2017

Nosantarina teny amin’ny Hotely Carlton omaly ny fanombohana ny fanavaozana ny rafitra ara-bola ho an’ny kaominina, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany sy ny fanajariana ny tany, ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola,

 

 izay miara-miombon’antoka amin’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny Tetikasa hanohanana ny vondrom-bahoaka (PAPSP) sy ny fiaraha-miasa amin’ny Alemana amin’ny alalan’ny tetikasa ho fampandrosoana ny kaominina (ProDéCID). Tanjona ny hisian’ny fampandrosoana mirindra sy mifandanja amin’ny alalan’ny famatsiam-bola 12 tapitrisa dolara avy amin’ny banky iraisam-pirenena. Hisy ny karazam-pifaninanana eo anivon’ireo kaominina 1 695 manerana ny nosy, hahazoana ireo kaominina 1 000 voalohany hita fa mahafa-po amin’ny fanatontosana ireo fepetra napetraky ny mpamatsy vola, ka ho afaka hisitraka ny famatsiana manomboka izao. Tafiditra ao anatin’ny Tahiry ho an’ny fampandrosoana ifotony na FDL ao anatin’ny 4 taona izy io. Maro ireo fepetra takiana, anisany ny fananana kaonty amin’ny anaran’ny kaominina. Eo ihany koa ny fangaraharana amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka. Tsy toy ny taloha intsony, tsy resaka “subvention” ihany fa tezaina ireny kaominina rehetra ireny hampiasa ny fahaiza-manaony, hoy ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT