Toekarena

Fampandrosoana ny fizahantany Hasongadina any Amoron’Imania ny kolontsaina Betsileo


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Ho fampandrosoana ny fizahantany sy ny tontolo ambanivohitra, ny fikambanana Haikolo kanto, izay misehatra ao anatin’izany dia mikarakara hetsika antsoina hoe “Festival de Mania”

 izay hatao any Sahambe Sandrandahy, distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’Imania, ny 2 sy 3 oktobra izao, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo. Ho fampahafantarana ireo toeram-pizahantany azo tsidihana any an-toerana no anton’ny hetsika. Efa maro izy ireo, hoy ny fanazavana, nefa mila ampiana ho fampiroboroboana ny fizahantany ara-kolontsaina. Misy zavaboary samihafa ao Sandrandahy ary misy ireo biby mampiavaka antsika. Misy toerana antsoina hoe Ikianja ihany koa izay misy ny tantara ipoiran’ny fisakana. Eo koa ny savika izay mampalaza ny Betsileo. Ho sokafana eo amin’ny sehatry ny fizahantany anatiny sy iraisam-pirenena izany. Ho hita any an-toerana avokoa ireo mampiavaka rehetra izany Amoron’Imania izany na ara-kolontsaina na ara-tsakafo na toerana na fomba. Miantso ny mpisehatra rehetra, hoy hatrany izy ireo, ary tsy voatery ny eo amin’ny sehatry ny fizahantany ihany fa izay afaka mampiranty sy liana amin’izany atao hoe fizahantany ara-kolontsaina izany rehetra dia asaina avokoa satria fampandrosoana no tanjona. Hasongadina ao anatin’izany ihany koa, mazava ho azy, hoy ny fanamarihana, ny fitafy sy kolontsaina Betsileo.
J. Mirija
Legende: Ireo mpikarakara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT