Toekarena

Fampandrosoana ny firenena Tsy maintsy miara-mientana sy miasa miaraka…


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Be dia be ny ratra navelan`ny endriky ny fifampitondrana nandritra ny dimam-polo taona mahery.

 

 Niaina izany avokoa ny faritra rehetra manerana ny nosy ary taratra iray hiaraha-mahita ny fahantrana izay raiki-tapisaka amin`ny Firenena. Hiditra amina kihon-dalana lehibe i Madagasikara amin`ny taona ho avy. Fotoam-pifidianana isika kanefa tokony hibanjina ny ho avy. Ekena fa samy manana ny fahadisoany saingy tsy tokony hitodihana intsony fa kosa ny iray amin`ireo kandidà hisedra ny fihodinana faharoa ireo dia manana fahavononana hanova ny zavatra tsy nety tamin`ny fitantanana ny firenena. Marika ihany ny filoham-pirenena raha ny lalàmpanorenana no jerena. Manana andraikitra daholo ny rehetra amin`ny fanovana sy fampandrosoana ny firenena ary ny tena goavana, ny filoham-pirenena no fitaratra voalohany ka izy no mitarika sy mampiseho an`ilay fahavononana mametraka lamina rehetra ahafahana miroso amin`ny fanovana sy fiovana. Ny vahoaka ihany koa dia manana ny anjara birikiny amin`ny fampandrosoana. Ny vahoaka tsy mahandry dimy taona intsony fa ahiana mety ho roa taona na telo taona dia hiditra krizy indray.  Tsy ho marim-pototra ny fanarenana sy fampandrosoana izay andrandrain`ny rehetra raha tsy misy ny fiaraha-mientana. Raha tsiahivina, tsy nihetsika ny depiote 73 tamin`ny volana aprily lasa teo ary raha tsy nanaraka ny vahoaka dia tsy tonga amin`izao fifidianana izao satria saika tsy nilefitra ny mpitondra izay saika hanenjana. Endriky ny fitiavan-tanindrazana ny miara-mirona amin`ny fampihavanam-pirenena izay kendrena hiorim-paka ifotony. Ny fiaraha-mientan`ny olon-drehetra miaina sy mihary eto Madagasikara no andrandraina ary fotoana izao hanehoana izany. Taratry ny fitiavan-tanindrazana, taratry ny fitiavana an`i Madagasikara izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT