Toekarena

Fampandrosoana ny firenena Tena ilaina ny vehivavy


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Ny 51%-n’ny kandida mirotsaka solombavambahoaka eto Madagasikara dia vehivavy avokoa. Mampiseho izany fa tena vonona ary mangetaheta hitondra fampandrosoana eto amin’ny firenena ny vehivavy, hoy ny nambaran’ny kandida depiote tsy miankina ao amin’ny boriborintany fahatelo, Nova Colombe.

 

 

 

 Zava-dehibe loatra hoy izy ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy na amin’ny resaka sehatra fitsaboana na amin’ny sosialim-bahoaka. Rehefa atosiky ny fitiavan-tanindrazana ny olona anankiray dia tsy tafandry mandry ary manao izay ho afany rehetra hanatanterahana ny asa fampandrosoana ny firenena. Nanambara ity kandida depiote ity fa tsy ilaina ny mifampiandriandry fa maika loatra ny fampiroboroboana ny toekaren’i Madagasikara satria tena latsaka ambany. Manana anjara lehibe amin’izany ny vehivavy rehetra hoy izy ary tokony hanana finiavana mba hanavotana ny firenena. Ny solombavambahoaka dia tsy maintsy mitatitra sy miezaka mandresy lahatra ny tompon’andraikitra mba hiteraka fampandrosoana eny amin’ny toeram-piadidiany. Maro ny manao kobaka am-bava fotsiny, hoy izy saingy tsy adala ny Malagasy ka tsy hahay hanavaka ny vary sy ny tsiparifary.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT