Federasionina goavana hikambanan’ny tanora sady olom-pirenena mandray andraikitra maneran-tany ny JCI na ny « Jeune Chambre Internationale ».
Tanora eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 40 taona no mikambana ao anatiny, ary mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana, indrindra fa ny lafiny toekarena. Firenena 117 manerana izao tontolo izao no efa ahitana azy io, ary isan’izany isika eto Madagasikara. Tanjona hapetraka hatramin’ny taona 2030 ny hampifandray ireo seha-pihariana maro mba hisian’ny vokatra azo tsapain-tànana sy maharitra. Tsy mikely soroka amin’ny fitadiavam-bahaolana manoloana ny fahasahiranana iainana ankehitriny ihany koa ny JCI amin’ny alalan’ny famakafana ireo tena olana sy lesoka hahafahana mamolavola vahaolana maty paika. Ho an’ny teto Madagasikara dia ny taona 1959 no efa niforoana io JCI io, ka isan’ny angady nananana sy vy nahitana izany i Charles Andriantsitohaina. Marihina kosa fa tsy manao politika ny JCI, fa mirona betsaka amin’ny lafiny toekarena. Maro ny dingana nolalovan’ny JCI teto Madagasikara vao tonga amin’ny toerana misy azy ankehitriny, ka ny faran’ny herinandro teo dia nisy ny fivoriam-be nampahafantarana ny dingana vaovao lalovan’ny JCI Madagasikara. Notontosaina ny sabotsy 02 novambra lasa teo mantsy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha Valerie Andrianavalona sy ny Filoha vaovao Anissa Ratovondrahona. Ny taona 2013 ity filoha vaovao ity no efa niditra tao anatin’ny JCI, ary nitana anjara toerana lehibe tao anatiny, ka isan’izany ny naha filoha lefitra mpanatanteraka azy. Lohahevitra nosafidiana ny hoe ho filamatra sy ny hikatsahana ny soa sy ny tsara kokoa hatrany, ka nisafidianana ny teny vahiny hoe « Lead by Example» sy ny hoe “Be better” mandritra ny taom-piasany ny taona 2018.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.