Fampandrosoana ny fandraharahana

Ho avy eto ny mpanangana ny Muzinami Africa foundation


  • Zoma 03 Mey 2024

Nisokatra omaly ary tsy mifarana raha tsy ny 31 may izao ny fisoratana

anarana ho an’ireo mpandraharaha na orinasa malagasy latsaky ny 4 taona nisiana te handray anjara amin’ny fifaninanana tetikasa tsara indrindra izay karakarain’ny fikambanambe koreanina, Muzinami Africa foundation, miaraka amin’ny Nexta, izay anaty vondron’orinasa Axian. Araka ny fanazavana tetsy Andraharo omaly moa dia natao ho an’ireo mpandraharaha 18 hatramin’ny 35 taona ny fifaninanana. Ny 27 jona no ho fantatra ireo miisa 6 voafantina farany amin’izany ka hanao ny famaranana. Ireo tetikasa miisa 3 tsara indrindra kosa dia samy hahazo 30 tapitrisa Ariary ahafahan’izy ireo manatontosa izany tetikasa izany. Ho avy eto Madagasikara, noho izany, ireo mpitantana sy mpanangana ny Muzinami Africa foundation, Sakuru Muzinami mivady, ny 1 aogositra 2024 hanolotra ireo loka ho an’ny mpandresy. Tsy voafetra ny isan’ireo mpandray anjara ho fantenina mandra-paha dilan’ny daty voalaza, hoy hatrany ny fanamarihana sy fanazavana, ary ny hampandroso ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara no tanjona.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT