Toekarena

Fampandrosoana Misy famatsiam-bola etsy sy eroa saingy …


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Madagasikara dia efa ela no naniry mafy ny hiroso amin'ny fampandrosoana,

 

 

 

ary tsy nisy izay famatsiam-bola nandrasana ka tsy tonga ahafahana hanaovana izany. Azo ambara aza moa fa ireo mpitondra dia miankina amin'ny famatsiam-bola avy any ivelany ho fampandrosoana ny firenena. Ankoatr'izay, ny ankamaroan'izy ireo dia nahavita nangataka fanampiana tamin'ny vahiny ary nirehareha fa tsy misy tsy fahampian'ny fiaraha-miasa na fifandraisana ara-toekarena. Na izany aza, ny firenena tsy mandroso fa toa mihitsoka na mihemotra mihitsy aza satria mitombo hatrany ny fahantrana. Ohatra amin`izany ny fitobahan` ireo mpivarotra amoron-dalana sy ny fitomboan'ny isan'ny tsy manan-kialofana. Na dia nirehareha aza ny mpitondra ankehitriny fa “tsy hiankin-doha amin` ny mpamatsy vola mahazatra” dia mifanohitra amin` izany ny zava-misy satria sarotra amin'izy ireo ny mivoaka amin` ny fahantrana na dia misy fanampiana avy any ivelany aza ka lasa fiankinan-doha mihitsy aza. Izany rehetra izany dia manasongadina fotsiny ny fitantanana ratsy nanjaka nandritra ny taona maro ary mbola mijanona ho toy izany ihany ny raharaha ankehitriny. Miaraka amin'ny fanampiana dia mbola mahita fomba hihemorana amin'ny fampandrosoana i Madagasikara. Inona no hitranga raha tsy misy intsony ny fanampiana? Tokony hieritreritra lalina an'izany ny mpitondra. Mbola mitobaka aloha ny fanampiana hatreto, fa rehefa mandeha ny fotoana dia hieritreritra ireo mpanome vola fa firenena tsy misy antenaina i Madagasikara. Ny zoma lasa teo dia nankatoavin` ny filankeivm-pitantanan` ny Banky Iraisam-pirenena ny famantsiam-bola fanampiny mitentina 50 tapitrisa dolara ho fanampiana ny tetikasa “Projet de Développement Intégré et Résilience du Grand Antananarivo” (PRODUIR). Tsy voalohany ary tsy ho farnay ihany koa io famatsiam-bola azon` i Madagasikara io, saingy fa na inona na inona fanampiana marobe noraisin'ny firenena, ny zava-dehibe indrindra dia ny manova ny fiainan'ny Malagasy izay efa leo ny miaina anaty fahantrana nefa ireo olom-boafidy dia mirehareha amin'ny harem-be. Mangetaheta fampandrosoana ny vahoaka malagasy, saingy mbola manampy trotraka ny valanaretina Covid 19 izay nanimba ny toekarem-pirenena, ary izany koa no antom-pisian` ireo fanampiana miraradraraka.

 Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT