Toekarena

Fampandrosoana Mila mamokatra ny Malagasy


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Tsapa ankehitriny fa tsy vita ny mampifanaraka ny fitombon' ny mponina amin'ny fihariana ka mampahantra tokoa.

 

 

Raha be tsy an-draofana sy tsy voa-behy ny vahoaka dia tsy hahita fampandrosoana mihitsy fa raha tazaina hamokatra dia mety hampatanjaka ny firenena. Eto Madagasikara, tsy misy politika mazava hampianatra ny maha olona mihitsy. Tsy misy koa famporisihana mba hanana saina tia karokaroka fa volena fitiavan-tena,fitiavam-bola ary fitiavam-boninahitra indrisy. Raha oharina amin`ny velaran-tany dia vitsy ny isan` ny mponina kanefa ny olana fototra dia ny tsy fisian` ny fanabeazana ho an` ny ankamaroany. Tsy lavina fa tsy ampy ireo tetik'asa fampandrosoana. Vitsy ireo mpandraharaha no tsy avy mampiasa vola eto amintsika. Izany hoe ny asa tsy ampy saingy tokony hamporisahana ireo olona manam-bola eto amintsika hamorona asa. Na hisy aza anefa ny famoronana asa ka mbola tsy mipetraka ny politika mazavana amin` ny fampianarana ny maha olona dia tsy ampy hikatsahana fandrosoana izany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT