Toekarena

Fampandrosoana maharitra eny ifotony Mila mandray andraikitra ny tanora


  • Sabotsy 07 Aprily 2018

Omaly no natao tetsy amin’ny Akademy Malagasy Tsimbazaza ny fankalazanan’ ny faha 25 taona niarahan’ny Global Environment Facility/Small Grants Programme (GEF/SGP) sy ny Programme de Nations Unies pour le Développement (PNUD) eto Madagasikara.

Nisy ny fanehoana mivantana ny fahombiazan’ireo fokonolona Malagasy ny  amin’ny fitantanana ny harena ara-boajanahary. Nifampizarana ary naseho ihany koa ireo faritra ifampivelomana sy ny tanàna iveloman’ny mpitantsoroka sy ny  mpiantsehatra amin’ireo fokonolona eto Madagasikara. Nomena lanja manokana ny  fifanakalozana sy ny fandraisana ny hevitry ny tantsaha Malagasy mba hiteraka fampandrosoana ara-toekarena. Olan’ny firenena mantsy ny fanakonana sy ny tsy fanomezan-danja ny tantsaha izay miaina anaty fokonolona. Sakana ny fampandraisan’anjara sy fanomezana andraikitra  azy ireo amin’ny faritra ivelomany sy ny tananany. Tokony hiara-miasa sy handray an-tanana ny raharaha  anefa ireo  vondron’olona ifotony ireo mba hampandroso ny tanàna ivelomany sy hiaro  ny  harena voa-janahary misy ao aminy. Olana ihany koa ny tsy firarahiana sy ny tsy fahaizan’ny  tanora sasany indrindra ny eto andrenivohitra ny maha-zava-dehibe ny fampandrosoana eny ifotony miainga amin’ny fokonolona izany  kanefa tsara kokoa raha izy ireo no miditra anaty birao manatanteraka sy manapaka hevitra amin’izany rehetra izany. Arak’izany dia tokony hojerenan’izy ireo hatrany ny fahendrena nataon’ireo ray aman-dreny Malagasy taloha  ary mila lovaina izany entina hampandrosoana ny firenena.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT