Nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa momban’ny tetikasa dingana faharoa ho fampandrosoana ny rehetra sy ny fitsinjaram-pahefana (PDCID II) natao tetsy amin’ny Ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola Antaninarenina tamin’ny Alarobia 31 Oktobra teo.
17,430 tapitrisa Euro na 70 miliara Ariary eo ho eo ny vola ampiasaina amin’ity tetikasa ity ary ny Banky Alemana ho amin’ny fampandrosoana (KFW) sy ny governemanta Malagasy ary ny famatsiana ho amin’ny fampandrosoana ifotony (FDL) no mifanaiky ho samy tompon’antoka.16,6 tapitrisa Euros na 66 miliara Ariary amin’io dia fanomezana avy amin’ny fitondrana Alemana avokoa ary anjaran’ny fanjakana Malagasy kosa no miezaka mafy hanatanteraka sy hampandroso ny tetikasa mba hipaka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena. Ankoatry ny fanaovan-tsonia dia manara-maso ny fanatanterahan’i Madagasikara ny tetikasa PDCID andiany voalohany ny solontenan’ny fanjakana Alemana amin’izao fotoana. Tanjona ny hanatsarana ny fahafahan’ny mponina misitraka ireo foto-drafitrasa sy ny tolotra eny anivon’ny kaominina ho taratry ny fampandrosoana eny ifotony. Araka izany dia mizara roa mazava tsara ity tetikasa ity : ny voalohany dia ny fanamboarana sy ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa manainga ny sosialy sy ny toekarena tahaka ny sekoly, ny tsena ary ireo toerana fiasana. Ny faharoa kosa dia hijery sy hitodika amin’ny fanamafisana orina ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny kaominina ny tetikasa.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.