Toekarena

Fampandrosoana eny ifotony Kaominina miisa 992 no nahazo famatsiam-bola


  • Talata 27 Martsa 2018

Kaominina miisa 992 tamin’ireo 1.059 nanao fangatahana tamin’ny banky iraisam-pirenena omaly no notolorana taratasim-bola 15 tapitrisa Ar avy teny amin’ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato.

 Nandritra ny fanokafana tamim-pomba ofisialy ilay tetikasa PAPSP ( Paik’Ady am-Pivoarana ny sehatr’Asam-Panjakana no nanatanterahana izany, narahina fanolorana môtô vaovao  ireo kaominina 992 ireo ho entin’ny Ben’ny tanàna miasa. Tonga nanokatra sy nanome voninahitra ny lanonana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Solonandrasana Olivier, ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao. Nambaran’ny filoha fa  tsy vita indray andro ny asa fampandrosoana ka mila manana faharetana ny rehetra. Tsy tokony tsy tokony halahelo ireo kaominina tsy mbola nahazo satria tsy maintsy ho avy izao saingy na izany aza kosa dia tokony hiezaka ny Ben’ny tanàna rehetra hampihatra ny resaka mangarahara  amin’ny fitantanam-bola mba ho tombontsoan’ny vahoaka. Samy manana ny fotodrafitrasa haoriny avokoa moa ireo kaominina miisa 992 ireo.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT