Toekarena

Fampandrosoana ara-toekarena Tsy marin-toerana ny harifaobe eto Madagasikara


  • Alatsinainy 31 Desambra 2018

Miainga amin’ny fahamarinan-toeran’ny harifaobe (stabilités macroéconomiques) ny fiaingan’ny toekarena kanefa tsy mbola misy mihitsy izany eto amin’ny firenena.

 

 

 Raha ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena no jerena dia tsy tratra ny tanjona napetraka satria tsy tonga 5% akory izany kanefa 5,9% no vina natao.  4,2% no tratra tamin’ny taona 2017 ary tsy nahitana fiovana firy intsony taorian’izay. Ankoatra izay, miziriziry hatrany ny taham-pisondrotam-bidim-piainana satria mananika ny 9% izany raha 8,3% tamin’ny taona 2017. Mifamatotra amin’ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny solika ary ny gazoala izay tsy nitsaha-niakatra tamin’ity taona 2018 ity. Teo ihany koa ny fitotongan’ny Ariary izay tena tsy tafarina mihitsy hatramin’ny fiandohan’ny taona no ho nankaty. Tsy nitsahatra nidina ny sandam-bola Malagasy raha oharina amin’ny vola vahiny Euro sy ny dolara araka ny tatitra ara-toekarena sy ara-bola 2017-2018 eo anivon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny teti-pivoarana. Raha momba ny fitantanam-bolam-panjakana indray dia nisy hatrany ny fatiantoka eo amin’ny tetibola na dia nisy aza ny fanatsarana ny fampidiran-ketra. Eo ihany koa ny fivoaran’ny baingam-bola (masse monétaire) izay tokony hihatsara sy hitombo tamin’ity taona ity satria io ihany koa no hitarafana ny fahasalamana ara-bola. Tsiahivina fa nitombo 17% ny taona 2016-2017. Amin’ny sehatra ivelany dia tsy nahatsara ny toekarena ary misy akony ratsy tamin’ny harifaobe ny fanafaran’entana be loatra nataon’i Madagasikara. Ilaina jerena sy hampandrosoana tsirairay mihitsy ireo sehatra iankinan’ny harifaobe ireo hahatafavoaka ny toekarena Malagasy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT