Toekarena

Fampandrosoana ara-toekarena Tokony hisokatra i Madagasikara


  • Alakamisy 07 Novambra 2019

Nanambara ny praiminisitra, Ntsay Christian nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba dinikasa sy fikaonan-doha afrikanina momba ny sehatra tsy

 

 miankina amin’ny fanjakana teny amin’ny CCI Ivato fa maro ny fomba ahafahana mitrandraka an’izany hampivoarana ny toekarena. Anisan’izany hoy izy ny fampiasàna ny fitaovana ara-bola isan-karazany, izay azo lazaina fa efa miha mivelatra; ny fifampizaràna traikefa sy fandrantoana fahalalana.  Raha ny eto Madagasikara manokana dia ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny firenena hafa sy ny fifanakaikezana amin’ny Kaontinanta Afrikana hanafainganana ny fampandrosoana.  Ny harena ankibon’ny tany sy ny fizahantany, ny vokatra Malagasy dia azo trandrahana sy aroso ho an’ireo firenena afrikanina ireo hiteraka tombony ho an’ny toekarena. Mbola ezaka hatrany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana hampivoarana io toekarem-pirenena io ary antenaina fa hahatongavana amina fanapahan-kevitra entina hametrahana fiovana hitondra fampandrosoana ity dinikasa tanterahina eto Madagasikara ity. Ilaina ny fisokafan’ny firenena Malagasy eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra, indrindra ny fifandraisan’ireo samy mpandraharaha mba hisian’ny fifamenoana ka hampatanjaka ny toekarena eto Madagasikara ary eo anivon’i Afrika mihitsy. Hisy ny fampivoarana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara amin’ny fametrahana ny “Zone d’aménagement industriel” hifanaraka amin’ny zavatra takian’ny filàna misy amin’izao fotoana izao izay antenaina hitondra akony mafonja amin’ny toekarena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT