Toekarena

Fampandrosoana ara-toekarena Tokony hiara-dalana ny vina sy ny statistika


  • Talata 19 Febroary 2019

Hoentina ampiroboroboana ny fanangonana ny tarehimarika eto Madagasikara ny Stratejia Nasionalin’ny Fampandrosoana ny Statistika (SNDS) izay tsy vita tamin’ny taona lasa teo.

 

 Nanambara ny injeniora tompon’andraikitra eo anivon’ny INSTAT, Andriamitsara Tarzan fa tokony hampiarahina amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) sy ny vina IEM ny fametrahana io SNDS io amin’ity taona 2019 ity. Rehefa miara-dalana ireo dia miainga amin’izay, hoy izy ny fandrindrana ny fomba fiasa rehetra hiteraka fampandrosoana ara-toekarena haingana. Fa ankoatra io SNDS io dia tombony ihany koa, hoy izy ny namitana ny lalàna statistika tamin’ny herintaona handrindrana ny asa rehetra manodidina ny statistika. Ny filankevitra nasionalin’ny statistika no handrafitra ny didy fampiharana miisa 3 ny amin’io lalàna io. Hampandroso haingana ny toekarena ihany koa ny fanaovana fanadihadiana ifotony amin’ny isan-tokantrano izay tamin’ny taona 2008, hoy izy no nisy izany farany. Tokony hampihetsika haingana ny finiavana ara-politikan’ny fanjakana sy hanatsara ny toe-piainan’ny mponina ankapobeny ny fahafantarana ireo tarehimarika sy ny zavatra misy marina iainan’ny Malagasy eny ifotony.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT