Toekarena

Fampandrosoana ara-toekarena Samy maka ho azy ny Malagasy


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

“Samy manao izay mahafalifaly ny fony ary samy manao izay mahamiramirana ny sainy”. Izany no teny mahafehy ny asa fampandrosoana eto Madagasikara.

Hita ho samy maka ho azy tokoa mantsy na ny sehatra miankina na ny tsy miankina amin’ny fanjakana manoloana ny andraikitra manandrify. Mitovy anefa ny tanjona dia ny hoe asa fampandrosoana sy ady amin’ny fahantrana. Resahina matetika mihitsy aza moa ny hoe firaisan’ombon’antoka sy ny resaky ny miankina sy ny tsy miankina amin’ny fanjakana. Mazava anefa ny vokatra fa vao mainka fahantrana sy fihemorana no mihatra amin’i Madagasikara ary  takona tanteraka izany resaka fandrosoana izany. Voavolavola ao anatin’ny sehatra tsy miankina koa moa ny ankamaroan’ny Malagasy hany ka ny vola eo no eo sy ny vola maika ihany no tena manintona ny maro. Mikorontana tanteraka araka izany ny resaka asa fampandrosoana eto ary tsy mahagaga raha mitotongana hatrany ny toekarena Malagasy. 80% ireo mpisehatra tsy ara-dalàna kanefa  tsy mba manana fifandrindrana  sy fahamatorana amin’ny asan’izy ireo. Hany ka tsy mitsaha-mitotongana ny tarehimarika: faha 5 amin’ny farany mahantra ny firenena Malagasy, 5% ihany no afaka miserasera amin’ny Banky, 90% mbola mpamboly avokoa, sns   

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT