Tsy mahagaga raha mahantra ny firenena satria maro loatra ny tanora tsy an’asa. Raha ny eny amin’ny faritra Anosizato manokana, maro be ireo tanora tsy an’asa, hoy ny mpandraharaha sady filohan’ny fikambanana mpanao asa soa FFAM (Force Féminine d’Aide Mutuelle),
Ramatoa Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i MISHAH. Misy amin’ireo tanora ireo koa aza no mangetaheta ny hianatra saingy tsy afa-manoatra noho ny fahasahiranana. Hisy ny fampiofanana ireo tanora miampy fampianarana teny vahiny maimaimpoana izay karakarain’ny FFAM. Tanjona ihany koa ny tsy hironan’ny tanora any amin’ny zava-mahadomelina satria lazaina mandrakariva fa izy ireo no hoavin’ny firenena. Ankoatra izay, efa miara-miasa amina orinasa maromaro ny fikambanana amin’ny fanomezana asa mivantana ireo tanora ireo. Nampahafantarina izany tetsy amin’ny toerana Sam Run Anosizato izay nihaonan’ny mpikambana FFAM mivantana amin’ireo vehivavy sahirana sy ireo tanora maro be mangetaheta te hiasa sy hianatra. Tsiahivina fa efa misy 400 isa ny mpikambana ao amin’ity fikambanana mpanao asa soa ity ary manosika sy manampy ireo vehivavy marefo sy ny tanora no tena antom-pisiany
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.