Toekarena

Fampandrosoana ara-toekarena Miainga amin’ny fampananana asa ny tanora


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Tsy mahagaga raha mahantra ny firenena satria maro loatra ny tanora tsy an’asa. Raha ny eny amin’ny faritra Anosizato manokana, maro be ireo tanora tsy an’asa, hoy ny mpandraharaha sady filohan’ny fikambanana mpanao asa soa FFAM (Force Féminine d’Aide Mutuelle),

 

 

 

 Ramatoa Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i MISHAH. Misy amin’ireo tanora ireo koa aza no mangetaheta ny hianatra saingy tsy afa-manoatra noho ny fahasahiranana. Hisy ny fampiofanana ireo tanora miampy fampianarana teny vahiny maimaimpoana izay karakarain’ny FFAM. Tanjona ihany koa ny tsy hironan’ny tanora any amin’ny zava-mahadomelina satria lazaina mandrakariva fa izy ireo no hoavin’ny firenena. Ankoatra izay, efa miara-miasa amina orinasa maromaro ny fikambanana amin’ny fanomezana asa mivantana ireo tanora ireo. Nampahafantarina izany tetsy amin’ny toerana Sam Run Anosizato izay nihaonan’ny mpikambana FFAM mivantana  amin’ireo vehivavy sahirana sy ireo tanora maro be mangetaheta te hiasa sy hianatra. Tsiahivina fa efa misy 400 isa ny mpikambana ao amin’ity fikambanana mpanao asa soa ity ary manosika sy manampy ireo vehivavy marefo sy ny tanora no tena antom-pisiany    

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT