Toekarena

Fampandrosoana ara-toekarena Ilaina ny fampivoarana ny Indostria Malagasy


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Tokony hifantoka tanteraka amin’ny fampandrosoana amin’izay ny Malagasy ary vonona i Korea Atsimo hanohana, indrindra ny amin’ny lafiny toekarena.

 Nampahafantatra tolotra maro amin’ny fandraharahana sy fampisamboram-bola mantsy ny fanjakana Korea Atsimo tamin’ny alalan’ny Ambasadaorony miasa sy monina eto Madagasikara omaly alarobia 14 novambra tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina. Maro ireo sehatra azo iaraha-miasa tahaka ny Indostria, ny angovo eny fa na ny fambolena aza. Nanambara ny tale jeneralin’ny fampiroboroboana ny sehatra Indostria, Ramindo Gaetan fa afaka mandray anjara amin’ireo tolotra ireo i Madagasikara ary manantena hatrany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’i Korea Atsimo. Hitondra vokatra tsara amin’ny fampiroboroboana sy fampivoarana ny sehatra Indostria sy ny tsy miankina ny fandraharahana atao amin’izany satria tena mitodika amin’ny fampivelarana sy fampandrosoana izany sehatra izany ny ankamaroan’ny tolotra. Ilaina hatrany ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy tsy miankina amin’ny sehatra sahala amin’izao mba hiteraka fampandrosoana ara-toekarena haingana amin’ny alalan’ireo paikady maro iaraha-misalahy. Mila maka lesona hatrany amin’ny tantaran’i Korea i Madagasikara satria firenena tena efa potiky ny ady izy kanefa nisondrotra ary lasa manankarena noho ny finiavana sy ny fitiavan-tanindrazana nananan’ny vahoaka koreana. Eo anoloan’izao toe-draharaha mafana mahakasika ny fiandrasana ny voka-pifidianana izao dia mirary fitoniana hatrany izy ireo.

Tsirinasolo

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT