Toekarena

Fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara Ilàna mpitondra feno fahasahiana


  • Zoma 11 Janoary 2019

Nanambara ireo tanora mivondrona ao amin’ny vovonana iraisan’ny fikambanana silamo fa raha tiana ho tojo fampandrosoana haingana i Madagasikara dia tsy maintsy manana fahasahiana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpitondra.

 

 

 

Nitodika tamin’ny filoham-pirenena vaovao izy ireo ny amin’ny dingana maro tokony hatao mba hisy tombotsoa amin’ny toekarena Malagasy. Eo hoy izy ireo ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izay tokony hojerena tsirairay mihitsy mba ho tombotsoan’ny mpandraharaha Malagasy. Rehefa misy firenena any ivelany tsy ananana tombony sy mahatonga fatiantoka dia tsara raha mamboly fifandraisana amin’ny hafa i Madagasikara. Mila maka lesona amin’ny firenena lehibe ny Malagasy ka ohatra amin’izany ny fialan’ny Anglisy tamin’ny vondrona eoropeana rehefa nahatsapa fa tsy niteraka tombony ara-toekarena ho azy intsony ny fijanonany ao. Ankoatr’izay dia mila jerena  ihany koa ny tombotsoan’ny mpandraharaha Malagasy amin’ny maha-mpikambana an’I Madagasikara amin’ireo tsena iraisam-pirenena tahaka an’i SADC sy COMESA sao dia fatiantokja fotsiny. Misy hatrany mantsy ny latsakemboka aloha amin’ireny kanefa tena ambany be ny fanondranana vokatra mba ataon’ny mpandraharaha mankany.  Mila dinihina tsirairay mihitsy ireo firenena nanaovana fifanarahana rehetra ireo amin’izao fiovan’ny fitantanana izao hoy hatrany izy ireo mba tena ho tombony amin’i Madagasikara ka izay tsy nahitana fahombiazana dia ialàna avy hatrany. Manoloana ny taha torolalana (taux directeur) 9,5% midangana apetraky ny Banky foibe dia tena manempotra sy mamono mpandraharaha hoy ireto tanora silamo. Tokony apetraka eto Madagasikara amin’izay ny famatsiam-bola hiaraha-miombon’antoka (Finance participative) hoy izy ireo. Miara-dalana tanteraka ny banky sy ny mpihindram-bola ny amin’ny tetikasa atao amin’io ka raha misy fatiantoka dia hiaraha-mizaka, raha misy kosa ny tombony dia hiaraha-mizara mandrapahaverin’ny renivola. Ny kaontinanta 5 maneran-tany dia efa saika mampiasa azy io ka maro ireo firenena efa nivoatra be sy nanankarena tahaka an’ny Nosy Maorisy, Kanada , Soisa ary ny Anglisy. Izany rehetra izany dia ilàna handraisana fanapahan-kevitra indrindra ho fanatrarana ilay vina IEM napetraky ny filoha vaovao.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT