Toekarena

Fampandrosoana an’i Madagasikara Mbola misy ny manao ory hava-manana


  • Sabotsy 31 Martsa 2018

Matroka ny tarehimarika ara-toekaren’i Madagasikara navoakan’ny Banky iraisam-pirenena ary voasokajy ho anisan’ny firenena tena marefo isika amin’ny lafiny maro.

 

Maro ny antony mahatonga ny toekarena Malagasy tsy mety tafarina. Anisan’izany ny sehatra banky izay tsy mitana ny tena andraikiny tahaka ny hoe fanomezana vahana ny fampiasam-bola. Vitsy hatrany ny afaka misambo-bola satria asa tena efa mihodina tsara mandritra ny enim-bolana no tena vatsian’ny banky vola. Raha misy tetikasa lehibe sy mila fotoana lavalava dia sarotra ny ahazoana famatsiam-bola. Ankoatr’izay dia misy ihany koa ny manao ampihimamba ny toekarena ary manjaka hatrany ny kolikoly izay mibaribary hita maso na eny amin’ny birao na eny an-dalana. Eo anatrehan’izany anefa dia betsaka ny Malagasy manana hevitra tsara hoenti-mampandroso ny firenena saingy sakanana amin’ny fomba ankolaka na mivantana mihitsy aza. Kaparanjo avy hatrany ny mahazo izay olona tena mikatsaka amin’ny fony ny hampandroso ity nosy feno harena sy kolontsaina ity. Voaresaka tetsy amin’ny Banky Iraisam-pirenena aza moa ny fanakatonana ny orinasa AAA. Olana ara-politika no tena mibahana ary hamerezana asan’olona an’aliny izay mitarika fahapotehana ara-toekarena. Azo nifampiresahana tsara ny olana ara-ketra misy ao sady ny fandehanan’ny orinasa ihany no ahafahany mandoa izany saingy fanakatonana no nataon’ny fanjakana. Raha mbola izay foana ny toe-tsaina hoenti-mitondra ny firenena dia tsy tafavoaka mihitsy i Madagasikara.


Tsiry  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT