Toekarena

Fampandrosoana an’i Madagasikara Manome lesona ny Japoney


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Omaly zoma 9 martsa no natao tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena Anosy ny famelabelarana narahina adihevitra momba an’i Japon sy Afrika. Manampahaizana manokana momba ny toekarena sy ny fifandraisan’i Japon sy Afrika, sady mpampianatra any amin’ny anjerimanontolo any Waseda Tokyo,

 

Profesora Kataoka Sadaharu no nitondra ny famelabelarana. Niompana tamin’ny politika japoney  ny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izany ary nampitaina tamin’ny mpandraharaha, mpahay toekarena ary ny olon-tsotra nanatrika. Maro ny vokatra efa azo tsapain-tanana tamin’ireo firenena Afrikanina nanatrika sy nampiantrano ny fikaonan-doha maneran-tany momba ny fampandrosoana an’i Afrika karakarain’i Tokyo (TICAD).  Anisany i Ghana, Etiopia, Congo izay nanaiky ny fampiasam-bola nataon’i Japon tany amin’ny taniny. Nanomboka tamin’ny fiafaran’ny ady mangatsiaka tamin’ny taona 1993 ny TICAD I ary efa tamin’ny taona 2016 tany Nairobi Kenya no natao ny TICAD VI.  Na dia mifanalavitra ara-jeografia aza i Madagasikara sy Japon dia afaka misitraka tsara io politika fampandrosoana io ny Malagasy.  Maro ny fampiasam-bola azon’ny firenena Japoney natao  amin’ny sehatra maro samihafa. Anisan’izany ny amin’ny  fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny fitrandrahana ara-mineraly. Mahafantatra ny firenen-dehibe fa be harena i Madagasikara ka misisika hanao fitrandrahana izy ireo. Tokony hanararaotra hampandrosoana ny firenena tahaka ny nataon’ireo firenena afrikanina sasany izany saingy iaraha-mahalala ny fitantanana sy ny tsy fahamatoran’ny mpitondra eto amintsika izay vao mainka miteraka fampahantrana.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT