Toekarena

Fampandrosoana an’i Madagasikara Fitsinjaram-pahefana tena izy aloha


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana. Betsaka rahateo ireo soso-kevitra efa natolotry ny sokajin’olona na mpitondra samy hafa saingy rehefa misy atrikasa ihany no miseho izany.

 

 

 

 Ohatra, tokony hifanaraka amin’ny tantara napetraky ny teo aloha, ny toetra jeografika, ny fizaran’ny toetrandro, ny endri-pifandraisana eo anivon’ny samy vondrom-paritra …  ny fizaram-paritra misy. Amin`izay, tsy maintsy mandray an-tanana ny fampandrosoana ny vondrom-paritra sy ny lafin-tany misy azy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny manomboka amin’ny olom-boafidy izany fa tsy hionona amin’ny famatsiam-bola sy fanampian’ny fitondrana foibe mpanelanelana sy manamora ny fiaraha-miombon’antoka heverin’ny Faritra fa hampahomby ny ezaka fampandrosoana ataony. Mila mametraka fomba fijery tsy mitanila ny fitondrana foibe amin’ireo asa sy fampitaovana ny vondrom-paritra ary hanome koa ny herijikin’ny isam-paritra amin’ny tena fampandrosoana mifanaraka amin’ny filan’ilay Faritra na lafin-tany mihitsy. Mahakasika ny toe-bola tena ilain’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana mba hifanaraka amin’ny filan’ny vondrom-paritra tsirairay  dia tokony hapetraka eo anivon’ny andrim-panjakana mpanao lalàna ny fandinihana izany satria ny famatsiam-bola sy ny fampitaovana ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana no fototra sy fanoitra lehibe  hampandrosoana azy ireo ary tokony hatao vaindoham-piniavan’ny mpitondra izany. Mila hatsaraina ny vovonan’ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (intercommunalité) mba hampirindra ny tetika sy hevitra hitondrana ny tena fampivoarana satria moramora kokoa ny mampivondrona ny fomba fijery ao anatin’ny faritra na lafin-tany ka mitovitovy ny toe-tany sy ny zava-bita. Mbola betsaka ny ezaka atao raha te hametraka ny fitsinjaram-pahefana mifototra amin’ny fampandrosoana sy ny demokrasia isika, mitaky finiavana avy amin’ny rehetra na olon’ny fitondrana na olom-boafidy na mpandraharaha na mpamatsy vola, indrindra ny vahoaka hiantefany. Ny fahaizan’ny mpitondra sy tompon’andraikitra eo amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana mifehy ny fampidiran-ketra eo aminy dia fomba iray mitarika ho amin’ny fananan’ilay vondrom-paritra fahavitan-tena eo amin’ny fitantanana sy ny fampandehanana ny rafitra misy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT