Toekarena

Fampandrosoana an`i Madagasikara “Laharam-pahamehana ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka”


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Nijoro ara-dalàna ny volana desambra 2018 teo ny fikambanana Tsiorintsoa, ahitana sehatra samihafa miasa ho an`ny toekarena sy ny sosialy.

 

 

Ho an`ny asa sosialy manokana, mitohy foana ny asa ary fototra iaingana izany, hoy ny filohan`ny fikambanana, Rtoa Nofy Lalaina H. Raha tsy midina eny ifotony mihaino sy mifampiresaka amin'ireo vahoaka dia tsy ho fantatra ny ilain'izy ireo sy olana mianjady aminy mba ahafahana mitondra ny tena vahaolana, hoy hatrany izy. Manao asa sosialy ho an`ny tombontsoam-bahoaka ny fikambanana toy ny fanavaozana ny CEG Anbohidrapeto izay nisy nandoro. Nanteriny fa laharam-pahamehana amin`ny fanampiana ataon`izy ireo ny lafiny fanabeazana.  Eo ihany koa ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ny reny sy ny zaza. Ny 13 febroary lasa teo, ny faritra Tanjombato sy Ankaraobato indray no nanaovany fitsidihana ka nivimbinany vary sy menaka ho an'ny sahirana. Efa nametraka ihany ny filohan`ny fikambanana fa hiaro ny zaza sy ny reny ka nitondra ronono sy sakafon-jaza ho an'ny zazakely iray nilaozan'ny reniny .ary nifampiresaka tamin'ireo beantitra sy zokiolona. Hitohy ny fijerena sy ny fifampiresahana amin'ny olona maro eto Atsimondrano. Ny dingana manaraka dia hanenika ny 26 kaominina eny Atsimondrano ny fikambanana ka hametraka foibe isaky ny kaominina. Tao anatin`ny efa-bolana, 120 tamin`ireo 206 fokontany no voatsidika. Nidina ifotony no natao hatramin`izay ary hihamafy ny asa satria miha betsaka ny mila fanampiana, ary miha mitombo hatrany ihany koa ny mpikambana afaka mifanome tanana. Ny ataon`ny fikambanana toy itony no ilaina eto Madagasikara, mampandroso ny lafiny toekarena sady mijery ny lafiny sosialy satria matoa betsaka ny fikambanana mpanao asa soa dia misy lesoka avy amin`ny fitondrana ka ireo mpanao asa soa no mamita ny asa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT