Efa 150 taona no niara-niasa i Norvezy sy ny fanjakana Malagasy. Niantomboka tamin`ny fahatongavan`ny misionera norvezianina teto an-toerana izany.
Nivoatra hatrany anefa ny fiaraha-miasa teo amin`ny roa tonta. Anisan`ny sehatra vatsiana vola ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fanatsarana ny kalitaon`ny fanabeazana. Tafiditra tao amin`ny fanohanana ny fiompiana sy ny fambolena ny fametrahan`ny norveziana ny FIFAMANOR ao Vakinakaratra sy ny sekoly fampianarana momba ny fiompiana sy ny fambolena. Famatsiam-bola hatramin’ny 750 000 dolara no omen`ny fanjakana norvezianina hanohanana ny fampandrosoana an`i Madagasikara amin`ity taona ity. Mahakasika ny toe-draharaham-pirenena amin`izao kosa, nambaran`i Jonah Meyer, lehiben`ny biraon`ny masoivohon`i Norvège fa ny fanatanterahana fifidianana eken`ny rehetra no vahaolana ialana amin`ny korontana mba ahafahana mitazona ny fitantanana ara-demokratika eto Madagasikara. Raha tonga amin`ny fifidianana milamina sy eken`ny rehetra dia hampiova zavatra ho an`ny firenena Malagasy, hoy hatrany ny fanazavany. Ny fifidianana ihany no lalana afaka misoroka ny fifandonana sy ny herisetra amin`ny tsy hifanarahana amin`ny samy mpanao politika, hoy i Jonah Mayer. Nomarihana omaly teny Ivandry ny fahaleovantenan`i Norvege.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.