Toekarena

Fampandrosoana Ain’ny toekarena ny fitaterana


  • Zoma 19 Jolay 2019

Amin’ny 14 ka hatramin’ny 17 novambra ho avy izao no hanatanterahina ny fampiratiana voalohany mahakasika ny fitaterana sy ny manodidina izany etsy amin’ny Zone Forello Tanjombato.

 

 

Noho ny fahatsapana ny maha-zavadehibe ny sehatra fitaterana izay miantraika mivantana amin’ny toekarena no nahatonga ny ministeran’ny fitaterana , ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetry ny andro sy ny Agence Première Ligne hanatontosa ny hetsika. Anisan’ny sehatra imatimatesan’ny ministera ary ao anatin’ny ezaka stratejika ny fampiroboroboana ny sehatra fitaterana hoy ny Minisitra Joel Randriamandrato. Tanjona hoy izy ny hampifandraisana ny mpisehatra rehetra amin’ny fitaterana ary ny fampahafantarana amin’ny vahoaka ny asa hiandreketana manodidina izany. Hisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra hampitana fahalalana sy fifanakalozana amin’io fotoana io mba hentina hampandrosoana ny sehatra fitaterana. Trano eva 500 no hanao fampiratiana ary maro ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany efa namaly ny antso. Hamporisihina amin’ity hetsika ity ihany koa ireo mpisehatra amin’ny fitaterana mba hanaja ny rafitra tahaka ny fanarahana tsara ny bokin’andrakitra, hoy ny minisitra. Nanambara ny tenany fa tahaka ny zotra D mampitohy an’Antananarivo sy Ivato izay natao filamatra, dia tsy hijanona intsony ny ezaka hatao. Ohatra amin’izany ny ho fametrahana GPS amin’ny fiara mpitatitra rehetra enti-hanaramaso ny tsy fanarahan-dalàna mitranga. Hisy vovonana mihitsy amin’izany hiara-hiasa amin’ny mpitandro ny filaminana hisahana manokana ny fitsirihana ireo tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra tahaka  ny fandehanana mafy loatra na ny tsy fahatomobanan’ny fiara.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT