Toekarena

Fampandoavan-ketra eto Madagasikara Mbola ilana ezaka be


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Mbola tena sarotra ny asa fampandoavan-ketra manerana an’i Afrika ary hita taratra izany eto Madagasikara. Raha ny eto amin’ny firenena Malagasy manokana dia tsy mbola ampy ny serasera sy ny fanentanana amin’ny fampandoavan-ketra, indrindra ny any amin’ny tontolo ambanivohitra.

 

 

 

 Tsy mazava amin’ny olona maro hoe raha mandoa hetra izy dia inona ny valiny ho azony? Ny sasany aza moa mihevitra fa hanomezana ny karaman’ny solombavambahoaka ny hetra aloany. Olana amin’ny firenena afrikanina maro mihitsy izany satria matetika dia mikarama ambony be ny depiote aty Afrika, hany ka mampiahiahy ny olona ny fandoavan-ketra ataony. Ny solombavambahoaka any Kenya izao dia mikarama avo roa heny mihoatra ny amin’ny firenena eoropeanina. Ankoatra izay, mbola maro ny ezaka tokony hatao ny amin’ny fitsinjarana ara-ketra amin’ny sehatra ara-dalàna sy ny sehatra tsy ara-dalàna. Ny eto Madagasikara dia mbola maro be ireo tsy mandoa hetra ary tsy misy vahaolana mazava ny amin’izay. Ireo mpandoa hetra indray anefa dia tena mikolay satria mahatsapa fa tena velesina mafy izy ary milaza mihitsy fa tsy rariny ny hetra alaina aminy. Tsy tahaka ny amin’ny firenena mandroso, manahirana ny fanerena ny vahoaka amin’ny fampandoavan-ketra noho ny fahantrana lalina. Atao ahoana no mbola  isintonana hetra amin’ny fidiram-bola izay efa tena tsizarizary. Izany rehetra izany no mbola mahatonga ny manampahaizana sasany milaza hoe ny haba alaina amin’ny tataom-bidy (TVA) ihany no mbola mety indrindra raha aty Afrika saingy tokony hasiana sokajiny fotsiny ho fitsinjovana ireo tena mahantra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT