Toekarena

Fampananan’asa ao Toliara Hampirisihina handraharaha ny tanora


  • Zoma 30 Desambra 2022

Tontosa omaly ny fifanakalozan-kevitra nokarakarain'ny fikambanana MRT na Mitsangana ry tanora ao Toliara. Natao tao amin'ny «Salle Jeunesse et Sports»

nanomboka tamin'ny 2 ora tolakandro izany ary niresahana mikasika ny “culture entrepreneuriale” na kolontsain’ny fandraharahana, ny “développement personnel” na fampivoaran-tena ary “gestion de temps” na fitantanana fotoana. Tanjona, hoy ny fanazavan’ny mpitarika ny MRT, Durlin Retogniane, dia satria vitsy ny orinasa eto Toliara ka ampirisihina ireo tanora tsy an'asa mba hanangana orinasa kely ho azy mba hampihenana ny tahan'ny tsy fananan'asa. Mila omena azy ireo arak'izany ny toe-tsaina sy kolotsaina entina manangana orinasa sy mandraharaha amin'ny ankapobeny, hoy izy. Izao hetsika izao moa dia tafiditra ihany koa ao anatin'ny tajon'ny fikambanana MRT dia ny fampandraisana andraikitra ny tanora mba ho hery entina mampandroso ny firenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT