Toekarena

Fampananana asa ny tanora Tokony ho laharam-pahamehana eto Madagasikara


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Maro be ireo zaza, ankizy ary tanora sahirana amin’ny lafiny fampianarana ankehitrny eto amin’ny firenena.

 

 Tsy vitan’izay fa tena sarotra ny miditra amin’ny tontolon’ny asa ho an’ireo mahavita fianarana. Tena andraikitry ny fanjakana anefa ny tokony hanampy amin’ny fampananana asa ny tanora amin’ny alalan’ny politikan’ny fananganana orinasa. Tokony hisy sahady ny fitaizana sy famolavolana ataon’ny fanjakana manomboka any amin’ny fanabeazana ka hatramin’ny fampananana asa hahavelon-tena, indrindra ho an’ireo zaza sahirana tsy misy mpiahy maro be eto Madagasikara. Fantatra fa mahantra ny firenena ary ahitana tanora maro marefo amin’ny sehatra fampianarana sy ny fampananana asa ka tokony hisy ezaka manokana mihitsy ary tokony hatao ho vaindohan-draharaha ireo sehatra manainga toekarena ireo. Tsy vitan’izany fa tokony ho maro ireo tanora mahazo tombony amin’ny fanofanana ara-kasa satria izany no tsy ampy eto Madagasikara. Andraikitry ny mpitondra ny manamora ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny asa sy ny manangana ny politikam-pampianarana tsara kalitao rantovin’ireo zaza sy ny ankizy eto amin’ny firenena mba tena hisy akony amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny toekarena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT