Toekarena

Fampananana asa eto Madagasikara Mbola lavitry ny afo ny kitay


  • Zoma 14 Desambra 2018

Nanao jery todika momba ny politika nasionalin’ny fampananana asa sy fampiofanana arakasa tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ireo mpisehatra ao amin’izany ao amin’ny minisitera.

 

 Nofantarina tamin’izany ny zava-bita sy ny ezaka tsy maintsy mbola hilofosana satria hifarana amin’ny taona 2019 io politika io nefa tsy maintsy hisy solony. Maro ny hevitra nitsiry tao ny amin’ny fampananana asa ny Malagasy rehetra ary hita taratra fa kely ny vokatra tamin’io politika io. Raha ny toejava-misy eto Madagasikara dia tena hita fa mbola sarotra ny fampananana asa eto. Na eo aza ny ezaka ataon’ny teknisianina dia mitana anjara toerana lehibe ny sehatra politika izay misy fiantraikany hatrany amin’ny sehatry ny asa. Amin’izao fotoana sarotra izao dia ilaina ny mijery maika ny ho avin’ireo tanora marobe tsy an’asa satria miainga amin’izay ihany ny fampandrosoana. Eo ihany koa ireo mba manana asa  saingy tsizarizary ary tsy mifanaraka mihitsy amin’ny mari-pahaizany. Ilana ezaka sy ainga vaovao izany. Hatreto aloha, tsy nitondra nankaiza ny politikan’ny fampananana asa natao ary kely dia kely ny vokatra.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT