Toekarena

Fampananana asa eto Madagasikara Mbola lavitry ny afo ny kitay


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Nanao jery todika momba ny politika nasionalin’ny fampananana asa sy fampiofanana arakasa tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ireo mpisehatra ao amin’izany ao amin’ny minisitera tamin’ny alatsinainy 10 desambra lasa teo.

 

 

 

 Nofantarina tamin’izany ny zava-bita sy ny ezaka tsy maintsy mbola hilofosana satria hifarana amin’ny taona 2019 io politika io nefa tokony ary tsy maintsy hisy solony. Maro ny hevitra nitsiry tao ny amin’ny fampananana asa ny Malagasy rehetra ary hita taratra fa kely ny vokatra tamin’io politika io. Raha ny toejava-misy eto Madagasikara dia tena hita fa mbola sarotra ny fampananana asa eto satria na dia eo aza ny ezaka ataon’ny teknisianina dia mitàna anjara toerana lehibe ny sehatra politika izay misy fiantraikany hatrany amin’ny sehatry ny asa. Amin’izao fotoana sarotra izao dia ilaina no mijery mainka ny ho avin’ireo tanora marobe tsy an’asa satria miainga amin’izany ihany ny fampandrosoana. Etsy an-daniny dia eo ihany koa ireo mba manana asa  saingy tsizarizary ary tsy mifanaraka mihitsy amin’ny mari-pahaizany. Izany rehetra izany dia ilana ezaka sy ainga vaovao satria hita aloha fa tsy nitondra nankaiza ny politikan’ny fampananana asa natao ary kely dia kely ny vokatra.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT