Nanao jery todika momban’ny politika nasionalin’ny fampananana asa sy fampiofanana arakasa tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ireo mpisehatra ao amin’izany ao amin’ny Ministera omaly 11 desambra.
Nofantarina tamin’izany ny zava-bita sy ny ezaka tsy maintsy mbola hilofosana satria hifarana amin’ny taona 2019 io politika io nefa tokony ary tsy maintsy hisy solony. Maro ny hevitra nitsiry tao ny amin’ny fampananana asa ny Malagasy rehetra ary hita taratra fa kely ny vokatra tamin’io politika io. Raha ny toejava-misy eto Madagasikara dia tena hita fa mbola sarotra ny fampananana asa eto satria na dia eo aza ny ezaka ataon’ny teknisiana dia mitàna anjara toerana lehibe ny sehatra politika izay misy fiantraikany hatrany amin’ny sehatry ny asa. Amin’izao fotoana sarotra izao dia ilaina no mijery mainka ny ho avin’ireo tanora marobe tsy an’asa satria miainga amin’izany ihany ny fampandrosoana. Etsy andaniny dia eo ihany koa ireo mba manana asa saingy tsizarizary ary tsy mifanaraka mihitsy amin’ny marim-pahaizany. Izany rehetra izany dia ilàna ezaka sy ainga vaovao satria hita aloha fa tsy nitondra nankaiza ny politikan’ny fampananana asa natao ary kely dia kely ny vokatra.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.