Sakana ho an'ny tanora Malagasy miditra amin'ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara ny tsy fahampian'ny enti-manana hanatanterahana tetikasa. Hany ka mivoaka sempotra tanteraka izay mba te hanangana ny orinasany manokana.
Manankarena manampahaizana tanora anefa ny firenena ary maro amin’izy ireny no mahavita mamorona tetikasa izay miteraka asa ho an'ny mpiarabelona avy hatrany. Anton’ny nisian’ny fifaninanana nokarakarain’ny minisitera sy ny fikambanana SAINA hanampiana tosika ireo tanora hikaroka sy hivelatra amin'ny fandraharahana ataony mba hahaleotena.Tanora 30 no nandray anjara tamin'ny fifaninanana ary vola mitentina 2 tapitrisa Ar (500 euros) sy fanampiana amin'ny fanantaterahana ilay tetikasa no azon'ireo mpandresy miisa 6 avy amin’ ny faritany 6. Mba nialana tamin’ny fitongilanana dia natao mangarahara ny fitsarana. Tsy dia nahafa-po loatra ny mpitsara sasany mantsy ny tetikasa telo, ka nanaovana “délibération”, ka dia nekena ihany tamin’ny ora farany fa hotolorana ilay 500Euros, ka izay no nahatonga ho 3 ireo nandray ny loka, fa hisitraka izany ihany koa ireo 3 hafa hanampy an-dRandriamahenintsoa Tojonirina avy eto Antananarivo, Andrianina Manantsoa avy any Toliara, Nomenjanahary Joseph Judicael avy any Toamasina. Fiaraha-miasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy any ivelany no nahafahana manampy ireo tanora, ka anisan’izany ny Kaonsila Jeneralin’i Madagasikara any La Réunion. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fiadidiana ny Repoblika, ary efa mandeha ny dingana isan-tsokajiny ka hirariana ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Fihariana, hoy ny Association Saina izay manamora sy mitady lalana ho an’ny tanora.Natao omaly teny Fort Voyron ny fanomezana ireo loka ireo.
Tsirinasolo sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.