Famonoana mpanara-maso hetra sy mpiraki-draharaha

Polisy miisa 2 no voaheloka hiasa an-terivozona


  • Zoma 01 Desambra 2023

Notsaraina ny 29 novambra 2023 teo teny Anosy ilay raharaha vono olona,

fitifirana nahafaty “Inspecteur des impôts” na mpanara-maso ny hetra sy “Greffière” na mpiraki-draharaha niseho ny alatsinainy hariva 14 novambra 2022 teny Ambohimahatsinjo, anelanelan'Imerinkiasinina sy Ambohimalaza, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nosazian'ny fitsaràna 10 taona, asa an-terivozona ny “Commissaire de police” na kaomiseran’ny polisy tomponandraikitra amin'ilay basy (PATT). 20 taona asa an-terivozona ny an'ilay “Agent de police stagiaire” na polisy mpizatra asa. Izy ilay nitifitra. Polisy miisa 2 izany no voaheloka hiasa an-terivozona 10 hatramin’ny 20 taona. 10 taona asa an-terivozona ny an'ny havany na "cousin"-ny. Nafahana noho ny fisalasalana ny “Inspecteur de police” na inspektora iray sy ny sakaizan'ilay mpiza-draharaha. Ilay sinoa voalaza fa "patron" na mpampiasa an'ilay “Stagiaire” na mpiza-draharaha kosa afaka madiodio, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
Sary nindramina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT