Toekarena

Famonjena ny fizahantany Hisokatra amin'ny 5 martsa y sisintany


  • Alakamisy 24 Febroary 2022

Nanao antso avo mba hanokafana fanokafana tanteraka ny sisin-tany ny Vondron’ireo orinasa tsy miankina ahitana ny Kaonfederasionin’ny fizahantany, GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar), FIV. MPA. MA

 (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy) sy orinasa maro, izay mitazona ny 60% amin’ny harin-karena faobe na ny PIB eto Madagasikara. Very ny 90% amin’ny fitaterana an’habakabaka iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara teo anelanelan’ny 2019-2021, hoy izy ireo. Nisy ny hetsika fampiroboroboana ny fizahantany anatiny ary ny fanofanana izay teo ambany fitarihan’ny Governemanta ny taona 2020. Na izany aza, manodidina ny 3900 miliara Ar ny fatiantoka voarakitra ho an’ny sehatry ny fizahantany hatramin’ny faran’ny taona 2021, ary asa an’aliny no lasibatra, hoy izy ireo. Na nisy aza ny fanokafana tsikelikely ny sisin-tany nanomboka ny 23 oktobra 2021, zara raha 20% amin’ny fitaterana iraisam-pirenena sy rejionaly raha ampitahaina tamin’ny vanim-potoana tsy nisy covid-19 no nentiny. Ny fiverenantsika amin’ny fisokafana amin’izao tontolo izao ihany no ahafahantsika mitazona sy mampivoatra ny asa sy ny fiarenana ara-toekarena mba ho an’ny tombotsoan’ny Malagasy, hoy ny sehatra tsy miankina. Azo lazaina ho ny nivaly ny fangatahana. Nankatoavina omaly ny didim-panjakana mikasika ny handraisana fepetra hiatrehana sy hahatomombana ny fisokafan'ny habakabak'i Madagasikara. Nohon'ny fihenan'ny trangana Covid-19, dia misokatra ny habakabak’i Madagasikara manomboka ny 05 Martsa 2022 ho avy izao, saingy misy ny fepetra hapetrakan'ny Fanjakana Malagasy mikasika izany. Ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, ny Minisiteran'ny Fizahantany ary ny Minisiteran'ny Fitaterana no hamoaka, afaka fotoana vitsy, ny andinindinin'izany fepetra tsy maintsy tokony hajain'ireo kaompania vahiny miasa mitatitra olona hiditra na hivoaka eto Madagasikara. Arak'izany, ireo kaompania vahiny dia afaka miverina manohy ny asa fitaterana an'habakabaka, miditra sy mivoaka ny Nosy raha toa manaiky ireo « conditions » na fepetra hapetraky ny fanjakana malagasy mikasika izany, hoy ny tatitra.
Toky R

 

 

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT