Toekarena

Famolavolana tanàna vaovao Handrafitra bokin`andraikitra iombonana ny ministera


  • Talata 18 Aogositra 2020

Manana ny rehetra handray anjara amina takalo-kevitra vitsivitsy amin’ny alalan’ny tranonkala na WEBINAR ny Ministera Lefitra misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Fonenana izay ao anatin’ny fanatanterahana ny fanapariahana ny Tanàna Vaovao.

 

 

Afaka mandray anjara amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny rehetra, mba hahafahana mitondra ny traikefa amin’ny fijerena iombonana izany atao hoe tanàna vaovao maharitra eto Madagasikara. Tsapa, hoy ny fanambarana, fa ny valin’ny olana samihafa manodidina ny fanabeazamboho tanàn-dehibe dia tsy maintsy mikasika ny rehetra. Mitady mpandray anjara koa izahay (mpanao maritrano, mpanabe voho tanàn-dehibe, mpanabe voho tontolo na zaridaina, fikambanana, solontenam-bondrona sy mpandraharaha samihafa) izay mety afaka handray anjara amin’ny sampan-kevitra samihafa manodidina an’io matoan-kevitra io. Ventin-kevitra dimy no hodinihina, dia ny : Fitantanam-pitondrana, Toekarena, Tontolo iainana, Fiaraha-monina, Teknolojia. Ny tanjona dia ny fandrafetana “cahier des charges” iaraha-mihevitra mikasika ny famolavolana ireo tanàna vaovao, ary ny fanatanterahana tetikasa mpanamory, hoy hatrany ny fanambarana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT