Toekarena

Famokarana zava-pisotro Miverina manodina milina ny STAR


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Miverina amin’ny ara-dalana ny asa famokarana eo anivon’ny orinasa famokarana zava-pisotro STAR ao Antsirabe rehefa nitsahatra tao anatin’ny iray volana. Niara-nitsidika ity ozinina manan-tantara ity tany an-toerana ny minisitry ny Indostria, ny

 

 

 

varotra ary ny asa tanana Rakotomalala Lantosoa sy ny Tale Jeneralin’ny STAR Marc Pozmentier, ny Talata lasa teo. Notanterahan’izy ireo nandritra izany fitsidihana izany ny famerenana ny fampandehanana indray ny asa famokarana. Mifanindran-dalana ihany koa amin’ny fiverenan’ny tinady ara-barotra tsikelikely amin’ny laoniny izao fisokafana izao. Manantena ihany koa ny STAR fa hiverina hiodina tsy ho ela ny ozinina ao Ambatolampy, izay nitsahatra tsy niasa nanomboka ny voalohan’ny volana mey.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT